16/10/2026
Koa satria moa betsaka ianareo no nangataka azy ity dia indro ary đŸđ±NY FOMBA FAMPIASANA NY ZEZI-KANKANA AMINâNY Tanimbary!
đHo an'ny tanimbary Efa voaasa, mbola tsy nasiana zezika mihitsy, ary mbola tsy miandrindrano. Ireto misy torohevitra tsotra azo ampiharina!
â
Rahoviana no tsara mampiasa zezika kankana amin'ny voly vary andrano?
Raha efa voaasa ny tanimbary ary mbola tsy nanetsa ianao, dia azo aparitaka aminâny tany ny zezika kankana ary afangaro moramora aminâny tany, raha mbola azo atao izany.
â
Ahoana ny fampiasana azy?
đ± Aparitaho mitovy aminâny velaran-tany ny zezika.
đ± Raha mbola azo atao, afangaroy aminâny tany alohanâny hanetsana.
đ± Aza araraka fotsiny ao anaty rano ny zezika, satria mety hiparitaka sy ho very ny ampahany aminâny otrikaina ao anatiny.
â
Inona no tombontsoa azo antenaina?
đż Manampy aminâny fanatsarana ny firafitry ny tany.
đż Manampy aminâny fitazonanâny tany ny hamandoana.
đż Mitondra otrikaina sy akora organika ilainâny zavamaniry.
đż Manampy aminâny fampivoarana ny zavamiaina mahasoa ao anaty tany.
â ïž Fanamarihana: Miankina aminâny velaran-tany sy ny kalitaonâny zezika ny fatra ampiasaina(raha ho anay manokana 500-700kg/ha). Tsy voatery hahafeno irery ny filĂ nâny vary rehetra ny zezika kankana, ka tsara ny mandinika ny toetry ny tany sy ny fitomboanâny voly.
đ Nahoana no tsara ny mikarakara ny tany?
Satria ny tany salama no fototry ny fambolena maharitra. Tsy ny habetsahanâny zezika ampiasaina ihany no zava-dehibe, fa ny kalitaony sy ny fomba fampiasana azy koa.
đŸ Andao hiroso aminâny fambolena manaja ny tany sy ny tontolo iainana!
Texte : Lombricompostage