Tranoben'ny Tantsaha Mpamokatra Ihorombe
Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Tranoben'ny Tantsaha Mpamokatra Ihorombe, DRAE ihosy Fanjakamandroso, Ihosy.
23/02/2026
KAOMININA SAKALALINA : HO LAVITRY NY MOSARY AORIAN’NY FAHAVITAN’NY FOTO-DRAFITRASA FANAMBOARANA BARAZY
Nanao fanjohiana ny fizotry ny asa fanamboarana tohadrano tao amin’ny lemaka voatondraky ny Mahatsinjorano, kaominina Sakalalina, Distrikan’Ihosy, Faritra Ihorombe ireo ekipan’ny TTMR Ihorombe. Mizotra antsakany sy andavany ny fanatanterahana ny asa ary azo lazaina fa tena manao ny asany manaraka ny rijatenin’andraikiny (TdR) tokoa ny “entreprise RASON Jean René”, mpitaoraharaha manatanteraka ny asa. Etsy ankilany dia mandeha ihany koa ny fanatanterahin’ireo mpahazo tombotsoa (AUE TELO FOKONTANY MIRAY) ny anjarabirikiny. Taorian'izany dia nanatanteraka fivoriana ireo mpahazo tombotsoa, ka nohamafisina tamin’ny alalan'ny PV ny fifaneken'ny fokonolona mpahazo tombotsoa.
Marihana tsara fa miisa 500 ireo tantsaha mpisitraka, izay mivondrona ao amin’ny AUE « TELO FOKONTANY MIRAY ». Ankehitriny raha 90 Ha ihany ny lemaka voatondraka dia vinavinaina ho 630 Ha izany aorian’ny fahavitan’ny asa.
“Hery lehibe hoanay ny fahavitan'ity tohadrano ity, ary azo antenaina fa hitombo ny voka-bary ato amin’ny kaominina Sakalalina, aorian’ny fahavitan’izy ity. Isaorana manokana ny FIDA, ny Fandaharan'asa DEFIS, ary ny Minisiteran’ny Fambolena sy Fiompiana, namaly ny fangatahanay mahakasika azy ity”, hoy ny filohan’ny AUE, nandritra ny fandraisany fitenenana. Nanamafy ihany koa ity farany sy ireo TTMK, fa raha-toa ka misy ny olana dia iarahana midinika eo anivon'ny fivoriana izay atrehin'ny entreprise, bureau d'études ary ny mpahazo tombotsoa. Eo ihany koa ny fanjohiana ataon'ny ekipan'ny foto-drafitrasa eo anivon'ny Fandaharan'asa DEFIS isam-bolana.
23/02/2026
20/02/2026
TTMR IHOROMBE: NANATANTERAKA FIVORIANA FANAO ISAN-TELO VOLANA
Notanterahina nandritra ny telo andro (ny 18-19-20 febroary 2026), tao amin’ny efitrano malalaka ny TTMR Ihorombe, ny fivoriana isan-telo volana (voalohany t@ ty taona 2026 ity) ny ekipa teknika ny TTMR.
Tanjona amin’izany ny :
1. Hizarana ireo olana sedrain’ireo teknisianina sy ireo tantsaha mpamokatra manoloana ny asa famokarana izay ataony
2. Hitondrana vahaolana sy paik’ady mahomby ary maharitra manoloana izany
3. Hizarana ireo tatitra ny asa vita
4. Ho fanaraha-maso akaiky ny fizotrin’ny taombem-pamokarana 2025-2026
5. Hamaritana ireo asa laharam-pahamehana hoan’ny telo volana manaraka
Koa satria moa ny fandaharanasa DEFIS, izay vatsian’ny FIDA vola dia eo ambany fiahian’ny MINAE, dia tonga nanatrika izany ny ekipan’ny DRAE, nifampizara vaovao mahakasika famokarana masomboly. Nanome toro-marika ireo CGEAF tsirairay mba hampahomby izany famokarana masomboly, izay ataon’ireo PMS (Paysan Multiplicateur des Semences) tsirairay
Tonga nandray anjara tamin’izany ihany koa ny ekipan’ny OPR SGM (Soa Gny Mivoatsy). Nifampizara vaovao mahakasika ny fambolena sy fiompiana. “Asa vadin-drano tokoa ny asa fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra, ka tsy vita raha tsy hifanakonana ». Rariny sy hintsiny arak’izany raha miara misalahy ireo mpisehatra rehetra amin’ny tontonlo ambanivohitra eto amin’ny Faritra Ihorombe.
Ny sakafo efa hiditra ny vava, aza atolaky ny kiho intsony
Isaorana ny FIDA namatsy vola ny fandaharanasa DEFIS, izay eo ambany fiahian'ny MINAE nanamboatra ny fotodrafitrasa ao amin'ny CR SAKALALINA , PI Mahatsinjorano, Distrikan'Ihosy
Ity ny horonan-tsary maneho ny zava-misy eny an-toerana.
"DIKAO MBELAHY GN'ALOHA F'IHOROMBE TSY MIHEMOTSY KOA"
Teny filamatry ny Faritra Ihorombe io. Ny tao--trano anefa, tsy efan'irery. Ny asa fampandrosoana ihany koa, tsy vita raha tsy hifanakonana,!
10/02/2026
FIDA/DEFIS/MINAE/TTMR: MIROSO AMIN’NY FAMPIHARANA NY FOMBA FIASA NUMERIKA
Nantomboka omaly faha 09/02/2026 ary nofaranana anio 10/02/26 ny fampiofanana ireo teknisian’ny TTMR Ihorombe, miisa roa ambin’ny roampolo (22), mahakasika ny fampiasana ny “Application mobile” (CGEAF miisa 19) sy “application web” (Superviseurs sy RSE_Com miisa 03), mba hahafahana mifehy tsara ireo “BDD” na antota-kevitra mirakitra ny asa sahanin'ny fanadaranasa DEFIS.
Izao fampiofanana ireo teknisianina izao, dia ao anatin’ny fanatanterahana ny fandaharanasa DEFIS, vatsian’ny FIDA vola ary eo ambany fiahian’ny MINAE. Zava-dehibe izao fanamafisana ny fahaizamanao izao. Ny fifehezana ity “Application” ity (amin’ny alalan’ny tablette) mantsy dia fitaovana ari-fenitra mirakitra ireo isan’ny tantsaha mpamokatra, ny tohana efa azony, ny vokatra azony, ny fivoaran’ny farim-piainany... Ankoatr’izay dia manamora ny fanjohiana ireo fanohanana natao tamin’ireo tantsaha sy fikambanan-tantsaha izy ity.
Nirindra soamantsara ny fiofanana (mpampiofana: ekipa suivi-evaluation DEFIS CIR FNR). Ireo “Superviseurs sy RSE_Com” ihany koa mbola hanamafy izany miandalana eo. Aorian’izao fiofanana izao dia samy hampiditra ireo antota-kevitra momban’ny tohana nomen’ny fandaharanasa DEFIS, an’ireo tantsaha mpamokatra, ireo CGEAF tsirairay, ohatra amin’izany:
- Fisy mirakitra ireo lisitr’ireo tantsaha mpamokatra
- Fisy mirakitra ireo lisitr’ireo fikambanana tantsaha
- Fisy fanjohiana sy fanaraha-maso ny fahaiza-mano sy ny fanofanana ireo tantsaha
- Fisy fanjohiana ireo tohana (hanampamokarana isan-karazany) azon’ireo tantsaha
- Fisy fanjohiana sy fanaraha-maso ny famokarana
- Fisy mirakitra ireo fotodrafitr’asa vita...
Tsy ny Faritra Ihorombe Ihany no hisy fampiofanana toy izao fa ny Faritra rehetra izay iasan’ny fandaharanasa DEFIS eto Madagasikara, toy ny ao Matsiatra Ambony, Amoron’i Mania, Anosy, Androy...
06/02/2026
Programme DEFIS CIR Fianarantsoa/TTMR Ihorombe, procèdent au recrutement pour le poste de « Responsable technique », afin de compléter son équipe.
30/01/2026
MINAE/FIDA/DEFIS: MANOHANA NY ATRIK’ASA HO FANOMBANANA NY FAMOKARANA MASOMBOLY
Nontontosaina omaly alakamisy sy anio zoma 30 Janoary 2026, ao Ranomafana, ny atrikasa fanombanana ny famokarana masomboly fototra sy voamarina ho an’ireo Faritra telo ao anatin’ny CIR Fianarantsoa. Ity atrik’asa ity dia ao anatin’ny fiaraha-miasa misy amin’ny fandaharanasa DEFIS sy ireo OPR FIMPAVA, FAFIAM, SAHI ary CRAM.
Notarihin’A/toa RALAIHERINIRAINY Thierry Peterson (CIR DEFIS Fianarantsoa) ny atrik’asa, ary niaraha nisalahy tamin’ny ihany koa ireo. Talem-paritry ny DRAE Amoron’i Mania, Matsiatra Ambony ary ny solontenan’ny DRAE Ihorombe. Amin’ny maha mpitsirika sy mpanamarina masomboly ny SOC (Service Officiel de Contrôle de semences et matériel végétale) moa, dia tonga nanotrona sy nifanome tanana nandritra io atrik’asa io izy ireo. Haharitra telo andro ny atrik’asa ary hifarana rahampitso 31 Janoary 2026.
Tsiahivina fa nanomboka ny taona 2019 ka hatramin’izao taona 2026 izao dia nametraka sy nanohana ireo PMS (Tantsaha mpamokakatra masomboly) ny fandaharanasa DEFIS: nanome fampitaovana, nizara hanampamokarana… Izany indrindra no antony nanantaterahina izao atrik’asa izao, mba hanombanana ny fivoaran’ny famokarana masomboly vary nandritra ny taona 2019 ka hatramin’ny 2025. Tanjona ihany koa nandritra izany ny famantarana ireo olana sy sakana nisy teo amin’ny famokarana sy ny tsena. Etsy ankilany, mba ho fametrahana paik’ady iraisana hanatsarana ny famokarana sy ny fiparitahan’ny masomboly ary ny fampaharetana ny rafitra PMS, hoenti-miantoka ny fisian’ny masomboly fototra sy voamarina manakaiky kokoa ireo tantsaha mpamokatra.
Marihina manokana raha hoan’ny Faritra Ihorombe dia miisa 45 PMS efa nahazo certificat teo anivon’ny SOC, ka ny tanjona dia ny hiakaran’izany ho 70 amin’ity taona 2026 ity. Isaorana indrindra ny MINAE, tamin’ny alalan’ny fandaharanasa DEFIS, izay vatsian’ny FIDA vola, nahafahana nanatanteraka izao atrikasa fanombanana stratejika izao.
27/01/2026
FIDA/DEFIS/MINAE : NANATANTERAKA ATRIK’ASA FAMPIOFANANA IREO TOMPON’ANDRAIKITRA MISAHANA NY FIKOJAKOJANA NY LALANA NASIAM-PANARENANA SY FANATSARANA
Notanterahina tany Antsirabe, renivohitry ny Vakinankaratra, tao amin’ny “Centre de Formation HIMO (Bureau OIT), nandritra ny roa (02) andro (22-23 janoary 2026) ny fampitana fahalalana ireo Ben’ny Tanàna sy ireo fikambanana mpampiasa lalana (AUP) miisa 35 (Maire miisa 09 ary AUP 26) avy amin’ny Faritra telo (Ihorombe, Matsiatra Ambony, Amoron’i Mania).
Ny mpampiofana dia ny avy ao amin’ny OIT, ary ny FIDA no namatsy vola izany, amin’ny alalan’ny fandaharanasa DEFIS, izay eo ambany fiahian’ny MINAE. Tsara ny manamarika fa ny FIDA avokoa no namatsy ara-bola, ireo asa fanorenana sy fanatsarana lalana ireo, ka ireo mpahazo tombotsoa avy amin’ireo kaominina ireo no tonga nanatrika ity atrik’asa ity.
Tanjona amin’izany dia ny hampaharetana ireo fotodrafitrasa lalana izay vita, amin’ny alalan’ny fahaiza-mitantana sy ny fikojakojana, izay voafaritra mazava tsara : mialoha, mandritra sy aorian’ny fotoana ny orana, ary amin’ny fotoana main’andro. Eo ihany koa ny fampandraisana andraikitra ireo tompon’andraikitra ao amin’ny kaominina amin’ny fitantanana ireo fotodrafitrasa ireo, mba hanamorana ny fivoahan’ny vokatr’ireo tantsaha mpamokatra.
Ireto avy ny lohahevitra nandritra ny fiofanana :
- Fizarana sy fampitana ireo vaovao momba ny fomba fiasa tokony harahina amin’ny fanatanterahana ny asa fanarenana.
- Fampahafantarana ny rafitra fikojakojana hapetraka mba hiantohana ny faharetan’ny fotodrafitrasa.
Tamin’ny andro faharoa dia nisy ny fifanaovan-tsonia mahakasika ny fifanarahana momba ny fitantanana ny asa ho an’ireo Ben’ny Tanàna voafidy vaovao. Nofaranana tamin’ny fizarana « CERTIFICAT » (izay manana lanja iraisam-pirenena avy amin’ny OIT Madagascar) hoan’ireo mpandray anjara rehetra ny atrik’asa.
Nankasitra ny FIDA ireo mpahazo tombotsoa satria ny lalana vita, ny fahaiza-mano entina hampaharitra azy azo, malalaka ihany koa ny fivezivezen’ny vokatra…
17/01/2026
PROGRAMME DEFIS, CIR FIANARANTSOA :
Appel à manifestation d’intérêt – Sociétés de conseil : « recrutement de cabinet pour le contrôle et la surveillance des travaux de réhabilitation du PI »
17/01/2026
PROGRAMME DEFIS, CIR FIANARANTSOA :
Appel à manifestation d’intérêt : « recrutement Consultant en Passation de marché »
Click here to claim your Sponsored Listing.
Location
Culinary Team
Attire
Contact the business
Telephone
Website
Address
Ihosy
313